ONG SAHA

SIMSI : Anisan’ny ahazo tombotsoa amin’ny Tetikasa SIMSI ireo Kaominina 04 ao anatin’ny distrikan’ny Taolagnaro.

Ny alakamisy 07 marsa 2019 lasa teo no notanterahana tao amin’ny « Chambre de Commerce et d’Industrie » tao Taolagnaro ny « Lanonana fanamarihana ny fanombohan’ny tetikasa SIMSI teo amin’ny faritra Anosy ».

Ny Tetikasa Simsi izay tanterahin’ny ONG SAHA dia nahazo tohana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay mikatsaka indrindra ny fanatsaràna ny tamberin’andraikitra sy ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina.

Nampahafantarina nandritra ity lanonana ity ny mikasika ny tetikasa izay narahina fifanankalozan-kevitra sy fanomezana fanampim-panazavana ho an’ireo mpisehatra samihafa tonga nanome voninahitra ny atrikasa. Anisan’izany indrindra ny solon-tena avy ao amin’ny Fileovan’i Taolagnaro, ireo avy amin’ny servisy teknikam-panjakàna voakasika, ny avy eo amin’ny renivohitry ny Kaominina Taolagnaro sy ireo Kaominina efatra voakasiky ny Tetikasa (Ampasy Nampohana, Mandromondromotra, Sarisambo ary Manambaro), ireo mpiaramiombon’antoka eo an-toerana ary ny solon-tena avy amin’ny olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena voakasika.

Anisan’ny voadinika tao anatin’izany ny fanamafisana orina ny Rafitra Ifotony Fikaonan-doha mba ho sehatra ifampieran’ny mpisehatra amin’ny fandrafetana ny drafi-pampandrosoana sy ny teti-bolan’ny Kaominina, ny mikasika ny famaliana ny laharam-pahamehana ho fanatsarana ny tolo-draharaha voafaritra ary hanaovan’ny mpitondra tatitra, ary ny fanasongadinana sy fizarana ireo paikady mahomby mba ho entina hanatsarana ny paikadim-pirenena voakasik’izany.

Sehatra ara-tsosialy 3 no hampiharana izany tamberin’andraikitra takian’ny olom-pirenena izany dia ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fananan-tany izay iarahan’ny ONG SAHA miara miombon’antoka amin’ireto firaisamonim-pirenena manaraka ireto di any HELVETAS, ny Hetsika ROHY, ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany na (SIF), ny Fivondronan’ny Radio na « Coalition des Radio pour la consolidation de la paix », ary ny Tambazotran’ny Olom-pirenena miaro ny Tamberin’Andraikitra takian’ny Olom-pirenena eto Madagasikara (RTRSM).

Raha ijery ireo sary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *